SocialTatitra

Maurice : Marary iray nitsoaka ny hôpitaly

Vehivavy iray maherin’ny 40 taona nandositra ny hôpitaly ny talata 30 Martsa lasa teo. Nonina tany Gros Billot ity olona ity ary naiditra tany amin’ny hôpitaly Brown Sequard nanomboka ny 8 martsa lasa teo. Mpitsabo mpanampy iray no nahatsikaritra ny fanjavonany ary nampandre ny mpiasan’ny hopitaly avy hatrany. Voan’ny schizophrenia na fikorotanana amin’ny fahafahana misaina sy mahatsapa ary mibaiko ny vatana ity ramatoa ity izao nampidirina hôpitaly izao. Kanefa nandositra nanodidina ny tamin’ny 06 ora hariva teo eo. Napetraka ny fitarainana teny anivon’ny biraon’ny polisin’ny hôpitaly sy teny amin’ny polisin’ny Rose Bell, sao mantsy nakany an-tranony ity marary izao nandositra izao.

Laisser un commentaire