La réunion : Zaza 4 taona norombosan’ny alika
Zaza 4 taona no norombosana alika « malinois » tao alohana tsena tao Tessan ao Sainte-Clotilde ny talata teo tamin’ny enin’ora sy sasany hariva. Nifaotra teo alohan’ny tsena ity alika ity raha ny fanazavana ary sendra nilalao azy ilay zaza no nokakerin’ilay alika tampoka ny tarehiny sy ny tendany. Naratra mafy izy ary feno rà ny tarehiny hoy ireo nanatri-maso. Nentina tao amin’ny CHU ao Bellepierre avy hatrany kosa ny tenany.
