Ambovombe: Vokatra ny voatabia sy ovy
Mameno ny tsena ao Ambovombe ny vokatra voatabia sy ovy. Alatsinainy 23 Aogositra 2021 vao maraina dia efa mivelatra ireo latabatra fivarotana ao Ambovombe, renivohitr’Androy.
Raha vao nihombo tato ho ato ny akon’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny haintany any atsimo, ny mifanohitra amin’izay kosa no hita teny amin’ny tsena isak’herinandro ao Ambovombe. Niakatra ny vokatra.
Hita eny an-tsena ny voatabia, oviala (voamanga) , ravim-bomanga sy karazana legioma maro. Araka ny mpivarotra iray nanaovana fanadihadiana, niakatra ireo vokatra tany an-toerana nohon’ny filatsahan’ny orana volana vitsy lasa izay. « Niakatra ny vokatra izao fa ny olana indray izao dia tsy manam-bola ny olona » hoy i Berthe, mpivarotra legioma. Na dia izany aza, azo lazaina fa mora ny entana hamidy eny an-tsena. 200 ariary monja ny vidin’ny toko voatabia folo ary 300 ariary ny oviala na voamanga. « Tsara ny vokara rehefa milsataka ny orana ary ratsy izy rehefa tsy misy oana. Tsy manana fomba hitehirizana izany anefa izahay satria telo andro aorian’ny niohotazana azy raha to aka tsy lafo dia simba fotsiny ireo » hoy i Sara, mpivarotra voatabia.
Ankilan’izay, mbola tsy nahitana fidinana ny vidin’ny vary. Tsy misy ny fahasamihafan’ny vidin’ny kapoka ny vary na ao Ambovombe na ao amin’ny renivohiny. 700 Ariary izany hoan’ny vary stoky, araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray, tsy tokony hihoatra ny 850 Ariary ny kapokan’ny vary. Noho izany fahalafosany izany, tsy maharisika ireo mpanjifa ny mividy vary, alaon’izy ireo mividy oviala na vomanga hatao solon’ny vary. Ankoatra ireo vokatra ao Ambovombe ireo, maro ihany koa ireo vokatra hafa toy ny karoty, ovy, tongolo avy ao Amboasary-Atsimo sy ao Antananarivo.
Na eo aza ny vidin’ny fandefasana dia azo lazaina fa mora ihany ireo vokatra ireo. Hita tokoa mantsy fa na dia miakatra aza ny vokatra eny an-tsena, mbola ambany ihany anefa ny fahefa mividy ny tokantrano tsirairay.
Sitraka Rajaonarivony
