ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nilamina ny fizotry ny fanadinam-panjakana BEPC

Tapitra omaly alakamisy ny fanadinana ara-panjakana nataon’ny mpianatra taona fahasivy, manerana ny nosy. Ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy manokana, nizotra am-pilaminana ny fanatontosana izany tao an-toerana, araka ny voalaza.

“Mpiadina miisa 1.405 no tonga nihatrika ny fanadinana ary miisa 17 ireo tsy tonga manerana ny ZAP telo, miisa 1.331 ireo nisafidy ny « Option A » fa ny sisa kosa dia « Option B » tamin’ireo izay nisoratra anarana” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

“Ny kaominina moa dia mirary soa sahady ireo mpiadina sy ny ray aman-dreny hiandry ampitoniana ny valim-panadinana, ary misaotra sy mankasitraka ireo mpanabe sy mpampianatra isan-tsokajiny nahatontosa ny adidy aman’andraikiny ary mankahery ireo hanao ny fitsarana ny taratasim-panadinana” hoy hatrany ny fanazavana.

Afaka miroso ao amin’ny fialan-tsasatra malalaka ary maka aina, araka izany ireo mpiadina avy niatrika izay fanadidinana izay mandram-piandry ny valin’izany, afaka fotoana tsy ho ela.

Manitra R.

Laisser un commentaire