Maurice : Handray ireo marain’ny « dengue » ny ENT Hospital
Tolo-kevitra nataon’ny minisitry ny fahasalamana tao amin’ny nosy Maurice nandritra ny fivoriana iarahan’ny mpisehatra tamin’ity herinandro ity ny fandraisan’ny ENT Hospital ao Vacoas ireo marary ny « dengue » indrindra ireo mila miditra hopitaly. Hatreto mantsy dia ireo hopitalim-paritra ihany no mikarakara ny mararin’ny « dengue ».
Hatramin’ny 5 jolay teo dia 28 ny tranga ny « dengue » mbola tsaboina voarakitra manerana ny nosy. Ny telo amin’ireo tranga ireo dia hita tao Rodrigues. Hatramin’ny faha-3 ny volana jona teo kosa dia 88 ny tranga voaraikitra tao an-toerana ary efa sitrana tanteraka ny 60 amin’ireo. Tapaka noho izany fa afaka alefa ao amin’io hopitaly izay mikarakara ny marary ny Covid-19 io ihany koa ireo marary ny « dengue ».
