Ankadikely Ilafy : Misy ny toerana famakiam-boky ho an’ny rehetra
Tsy dia fahita ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny toerana famakiam-boky. Amin’izao fotoana izao, afaka misitraka famakiam-boky avokoa ny rehetra ao an-toerana, indrindra ireo mpakafy mamaky boky. Efa misy ary efa misokatra ho an’ny rehetra ny toeram-pamakim-boky ao Ankadikely.
« Ilaina ny vaky boky mba hampisokatra ny saina ary mampitombo ny fahalalana ankapobeny. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fametrahana toerana famakiam-boky ho an’ny rehetra, indrindra fa ny any an-tsekoly mba hisarihana ny ankizy amin’ny fikarohana sy hampitombo fahalalana » hoy i Sahondra, mpampianatra.
« Manomboka mbola kely ny ankizy dia tokony hamporisihana hamaky boky mba hampivelatra ny sainy. Anisan’ny manimba ny ankizy sy ny tanora amin’izao fotoana izao ny tsy fahampian’ny fahalalana. Efa ny fanatotoloana sy ny teknolojia no miroborobo ka varina amin’izany, tsy fahampian’ny fahalalana ankapobeny ny maro » hoy i Tsanta, mpianatra mpikaroka momba ny serasera.
Efa miha-lefy laza ny vaky boky amin’izao fotoana izao. Varina amin’ny teknolojia sy ny fanatotoloana ny ankamaroan’ny rehetra, indrindra ny tanora. Ilaina araka izany ny fanentanana, indrindra ny famporisihana azy ireny mba hiverina amin’ny vaky boky, misy akony betsaka eo amin’ny fifandraisana ny tsy famakiam-boky.
Manitra Ramanantsoa
