Fandriam-pahalemana: Tafaverian amin’ny tompony ireo omby miisa 23
Dépêche 21 ocotbre, 12h, Nisehoana halatr’omby tao amin’ny kaominina Mahazoma tao Ankarafantsika Maevatanana. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny ombin’ireo tantsaha tany an-toerana. Nanao ny fanarahan-dia ireo miaramila avy ao amin’ny Bataillon Infanterie Mahajanga vantany vao naheno ny antso fanairana nataon’ireo mponina. Tafaverina soa aman-tsara tamin’ny tompony noho izany ireo omby 23 ary jiolahy iray kosa no lavo nandritra ny fifanandrinana raha vaky nandositra kosa ireto namany. Manentana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny mponina ireo mpitandro ny filaminana
