Dépêches

Antenimieram-pirenena : Hanomboka ny 24 mey izao ny tatitry ny Governemanta

Dépêche 19 mai, 12h, Fotoana iray efa handrasan’ny maro ao anatin’ny Fotoam-pivorian’ny Antenimieram-pirenena toy izao ny tatitry ny Governemanta. Hanomboka ny 24 mey izao tatitra izany ary tsy hifarana raha tsy ny 31 mey. Handalo hanao tatitra eo anoloan’ny Solombavam-bahoaka avokoa araka izany ireo Minisitra tsirairay. Mialoha izany anefa dia tsy mbola maro ireo programa tsy maintsy hotanterahin’ny Antenimieram-pirenena. Laharam-pahamehana amin’izany ny fandinihana ny tolo-dalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fandinihana ny tolo-dalàna 001/2023 mikasika ny famatsiana ny Programme Africain de Financement de la Gestion des Risques de Catastrophes (ADRiFi).

Laisser un commentaire