ActualitésTsidika

Fitaterana: Mikaroka ny hitantana azy ny zotra an-dalamby FCE

Efa manomboka miravona tsikelikely ny zotra an-dalamby FCE taorian’ny fikatonany naharitrta. Eo am-pitadiavana izay afaka hitantana azy ny zotra amin’izao fotoana izao. Efa miparitaka amin’izao ny taratasy fiantsoana ho an’ireo izay vonona handray izany toerana izany. Tafiditra aoa anatin’ny famerenana ity zotra ity izany dingana izany.

“Taorian’ny fametrahana ireo komitin’ny fanarenana sy ny fitantanana hiraisana dia tsy maintsy miroso amin’ny fikarohana mpitantana tokana amin’izay amin’izao fotoana izao. Dingana tsy maintsy lalovana izany hahafahana manarina amin’ny laoniny indray ity fitaterana ity”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro.

Anisan’ny adidy lehibe horaisin’izay mpitanatana vaovao eo ny fanajana ny kalitaon’ny asa fitaterana na dia asam-panjakana aza izany. Eo ihany koa ny fangaraharana amin’ny fitantanana ary ny fahombiazana tsy hiverenan’ny olana teo aloha indray.

“Ny tena mpitantana ilaina dia ilay tsy tia kolikoly. Ilay tsy tia vola be loatra ihany koa satria izany hatrany no efa olana. Ity fitaterana ity anefa marihina fa hanampy olona an’arivony amin’ireo kaominian maro holalovany ka izany indrindra no tokony hanarenana azy sy ireo mpitondra ao anatiny”, hoy ny Ben’ny tanàna iray amin’ireo toerana lalovany.

Tsara ny manamarika fa efa tonga hatreo Sahambavy ity zotra ity amin’izao fotoana izao. Efa nisy ny fitaterana nandritra ny fetin’ny paka teo ary efa manomana ny fitaterana ho an’ny fetin’ny pentekoty indray ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire