Fandriam-pahalemana : Naato tamin’ny asany ireo miaramila nidaroka sivily teny Avaradoha
Dépêche 19 mai, 11h, Raha tsiahivina dia miaramila miisa enina no nidaroka sivily ny alarobia alina teo. Mamomamo avy nisotro ireto miaramila ireto ka nanakorontana ary niafara tamin’izao fikasihan-tanana sivily izao. Araka izany dia nandray fanapahan-kevitra ny avy ao amin’ny Tafika Malagasy ka nampiato, nandroaka azy ireo tamin’ny asany avy hatrany. Nambarany fa tsy mitaiza mpamono olona ny tafika fa mpamonjy ny olon-tsotra no tena himasoana. Horaisin’ny Zandarimaria an-tanana ny famotorana ireto miaramila ireto ary hakarina fitsarana. Ireo sivily roa lahy kosa izay nodarohan’izy ireo dia efa noraisin’ny tafika Malagasy ny fitsaboana azy.
