Dépêches

Ninie Donia : Herintaona sy tapany an-tranomaizina ny valin’ny fitsarana.

Dépêche 28 avril, 14h, Nivaly ny fitsarana izay natao an’I Eliane Bezara na I Ninie Donia. 18 volana an-tranomaizina no sazy azony. Marihina fa efa niditra am-ponja vonjimaika nadritra ny 11 volana izy talohan’io fitsarana azy io. Raha tsiahivina dia ny fanevatevana olom-panjakana manana andraikitra ambony ao Nosy Be no niampangana ity “mpanjavavin’ny salegy” ity. Hatramin’izay ka hatramin’izao dia efa mpanakanto maromaro no naneho ny tsy fahafaliany nanoloana izany fanamelohana izany ary naneho ny fanohanany an’I Ninie Donia avokoa. Ny toe-javatra tahaka izao indrindra anefa no ilaina ny fangaraharana ka tokony hampanjakaina izany hahazoan’ny olona rehetra ny tena amrina. Miantoka ny fahatokian’ny olona ny fitsarana ihany koa izany.

Laisser un commentaire