Dépêches

Toetr’andro: Ahiana ny fiankaran’ny hafanana mandritra vanim-potoanan’ny main-tany

Manomboka miditra tsikelikely ao anatin’ny vanim-potoanan’ny main-tany ny eto Madagasikara amin’izao fotoana. Araka ny nambaran’ny teknisianina avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, ahiana ny fiakaran’ny tahan’ny hafanana ho an’ny volana oktobra sy novambra. Ho an’ny faritra Analamanga manokana, raha 18,5°C hatramin’ny 18,8°c ny maripana antonony; ho tafakatra hatramin’ny 21°c izany ny volana oktobra raha 22°c kosa ny tahan’ny hafanana antonony amin’ny volana novambra. Mila miomana ny rehetra ao anatin’izany.

Laisser un commentaire