Dépêches

Tetik’asa ODOF : Hametraka orinasa madinika isaky ny herinandro ny tanjona

Dépêche 08 février, 11h, Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetik’asa ODOF (One District One Factory) dia manana vina ny hametraka orinasa madinika isaky ny herinandro ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Ny tanjona lehibe indrindra amin’ity tetik’asa ity ny ahafahan’ny tantsaha manodina ny vokatra izay mora simba eo an-toerana ihany sady vetivety ahafahana mitahiry azy. Miisa 4 ny toerana efa ahitana izany ary ho tohizana manerana ny Nosy izany ka miisa 75 eo ho eo no hatsangana manerana an’ny Madagasikara. I Japon no hamatsy ny fitaovana hampiasaina amin’izany.

Laisser un commentaire