Mihamy Mada Fasiona: Tanora mpandraharaha sy mpamorona avy ao Toamasina ny 67% amin’ny mpandray anjara.
Dépêche 14 avril, 13h30, Omena vahana ny tanora mpandraharaha sy mpamorona avy ao Toamasina tamin’ity Mihamy Mada fashion faha-efatra ao Toamasina ity. Miisa 38 ireo mpandray anjara manao varotra fampirantiana sy mampilatro mandritra ny 03 andro. Ny 26 amin’izy ireo dia avy amin’ny Faritanin’i Toamasina avokoa. Anisan’ny ezaka natao tamin’ity andiany ity di any hampiroboroboana ny vokatra isaky ny faritany. Eo ihany koa ny mba hahafahan’ny tanora manan-talenta ara-javakanto mamadika izany talentany izany ho fandraharahana ara-toekarena mahavelona azy. Rahampitso sabotsy ny faran’ity hetsika ity izay azon’ny rehetra tsidihina ary tsy misy vidim-pidirana.
