Hotely Ambatondrazaka
08 Oktobra, 08h12. Hotely iray miady sy misoroka ny fijangajangana sy ireo areti-mandoza azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ao Ambatondrazaka. Voarara noho izany ny mitondra lehilehy na vehivavy ankoatra ny vady, miditra ao ka hivahiny na hanofa ny tranom-bahiny. Vokatr’izany, andraisana fepetra ireo izay tsy manaraka ny totolàlana efa napetraka.
