Toetr’andro : Hahazo vahana ny hatsiaka ato anatin’ny telo andro
24 Aogositra, 12h00, Nahitana fidinana ny mari-pana nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Saika hita manerana ny nosy io fidinan’ny mari-pana io, araka ny nambaran’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Nahazo vahana ny fitsokan’ny Talio ao amin’ny ilany atsinanan’ny nosy no mahatonga izany. Mbola hitoetra hatramin’ny rahampitso alakamisy izay fidinan’ny hatsiaka izay ary mety hitondra orana mihitsy ho an’ny faritra Atsinanana.
