Anosy Avaratra : Manatsara hatrany ny tanàna
Vita ny 19 aogositra teo ny fanaovan-tsonia ny Projet GUGA (Gouvernance Urbaine du Grand Antananarivo) izay tetik’asa novatsian’ny AFD (Agence Française pour le Développement) niarahana tamin’ny INDDL (Institut National de la Décentralisation et du Développement locale). Tao amin’ny le Pavé Antaninarenina no nanantontosana izany sonia izany.marihina moa fa isan’ireo nisitraka izany ihany koa ny kaominina Ankadikely Ilafy, Ambohimangakely sy ny maro hafa.
Natao indrindra io tetik’asa io mba hanamafisana ny fahaizamanao ny mpiasan’ireo kaominina 28 manodidina an’Antananarivo, eo ihany koa ny fanatsarana ny fitantanana ny Projet Lalankely III, ary farany ny fanomezana fitaovana maro samihafa mba hahafahan’ireo mpiasa manantanteraka ny asany. Hiatsara araka izany ny fomba hitantanana ny kaominina sy ny tolotra omena ny vahoaka.
Famenontsoa Rajerison
