ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Manampy ireo mponina tsy manana kopia ny kaominina

Misy ny hetsika fanampiana ireo ankizy na olon-dehiba tsy manana kopia ataon’ny kaominina. Ilaina eo amin’ny fiainana tokoa mantsy ny fananana izany. « Ilaina amin’ny fikarakarana taratasy rehetra ny kopia toy ny fanamboarana kara-panondro, ny fampianarana ny ankizy. Miantoka ny hoavy rehetra mihitsy izy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Tsy afaka ny hahita asa isika raha tsy manana kara-panondro, tsy hanana kara-panondro isika raha tsy manana kopia. Tsy voakasika amin’ireo zo fototra maha olom-pirenena isika raha tsy manana kopia » hoy i Hery, mpianatra lalàna eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Antoka iray ahafahan’ny ankizy iray miatrika fanadinam-panjakana ny fananana kopia. Ny tsara dia andro vitsy aorian’ny fahaterahana no anaovana izany. Misy kosa anefa ny hetsika ho an’ireo efa lehibe tsy manana kopia.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire