Ambohimangakely : Nijery ifotony ny olana eo amin’ny fitaterana ny Ben’ny tanàna
Isan’ny olana sy miteraka resabe ary fitarainana any Ambohimangakely ny ataon’ireo mpitatitra ny zotra E. Nizotra teny Mahazo mihitsy ny Ben’ny tanàn’Ambohimangakely ny 8 septambra teo nitafa tamin’ireo mpitatitra sy ireo mpivarotra ary nijery ihany koa ny asa fanadiovana.
« Tena mijaly izahay mody any Ambohimangakely indrindra rehefa hariva, sady manary eny antsasa-dalana ny fiara fitateram-bahoaka no mbola manao tsinotsinona sy ny tsy manaja ny zon’ny mapndeha mihitsy » hoy i Voahirana, mponina ao Ambohimangakely. « Tanjona amin’izao fandehanana ifotony izao ny mba handraisan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny andraikitra tandrify azy avy mba hanajàna ny fahadiovana sy hanarahana ireo fandaminana sy toromarika ary ihany koa ho fifanomezan-tanana » hoy ny Ben’ny tanàn’Ambohimangakely, Radafy Thierry.
« Enga anie mba tonga dia asa fa tsy kabary tokoa satria ny tao-trano tsy hefan’ny irery ; milan y tompon’andraikitra izahay vahoaka fa tena sahiraan tokao amin’ny fivezivezena » hoy i Hery, mponina any an-toerana. Efa betsaka ny fitarainana azo avy tamin’nyv vahoaka mikasika ity ataon’ny mpitatitra ity.
Manimba ny firenena tokoa ny fitiavan-kely satria izay izao no manosika ireo mpamily hanao toy izao, sitrany mantsy mahazo saran-dalana indroa raha tokony ho iray ihany. Mampalahelo ny toy izany ary vao maika mitondra ny firenena ho nya min’ny fahantrana lalina ka mila ovaina sy ahitsy raha te handroso.
Nicole Rafalimananjara
