ActualitésTsidika

Misy EPP ao Toliara tsy misy dabilio

Mitaraina ireo mponina sy tompon’andraikitra fa tsy ampy ny fananan’ny EPP ao amin’ny kaominina Maromiandra, distrikan’ny Toliara faharoa, sekoly izay efa niorina ny taona 1922. Simba sy ratsy endrika tanteraka ireo efin-trano fianarana rehetra,eny hatramin’ny dabilio fianaran’ny mpianatra aza tsy misy ary tsy mbola nisy ny fanavaozana hatreto.

Nitondra ny teny fitarainana ny « Chef ZAP » ao amin’izany kaominina izany ny amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana, indrindra ny dabilio ianaran’ny mpianatra.Voalazany tamin’izany fa « mipetraka amin’ny tany ireo mpianatra, miisa 13 ireo EPP ao an-toeran fa telo amin’ireo ihany no mba ara-dalàna; tao aorin’ny fandalovan’ny cyclone Arona ny taona 2013 no simba tanteraka ny EPP ary tsy nisy ny asa fanavaozana ». Manana eritreritra ny hankalaza ny taon-jaobily anefa ireto farany amin’io taona 2022 ho avy io saingy menatra kosa noho ny haratsin’ity sekoly ka tsy sahy ny hanantanteraka izany raha ysy misy ny fanamboarana.

Tsy niandry ela anefa fa androtr’io ihany dia namaly ny antson’ireo ny ben’ny tanàna ao an-toerana niaraka tamin’ny soombavam-bahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’ny Tolira faharao ary nanolotra dabilio miisa 41, tsaoka,ary  vola mitentina 133 000 Ar.

Mbola nanamafy ny antso hatrany anefa ny solombavam-bahoaka Rogers Osman Tsitara ny mba hidinan’ny fitondram-panjàna ifotony any an-toerana hijery akaiky izao fahasimbàna misy izao.

Ny manitikitika ny sain’ny maro dia ny hoe « fa aiza ho aiza ny anjara fanampiana ho an’ny EPP amin’ireny faritra ambanivohitra lavitra ireny fa toa aherenesana fitarainana lava foana, tsy ampy ve ny tatitra omen’ny tompon’andraikitra ao an-toerana sa ny any amin’ny foibe mihintsy no manetsi-tadiny ka tsy mihaino » ?

Lovasoa Tojonirina 

Laisser un commentaire