Fanomezan-tanana ho an’ny olona manana fahasembanana.
Manana zo mitovy amin’ny olona rehetra ihany ny olona manana fahasembanana. Ny 7,5% ny olona eto Madagasikara no manana izany toe-batana izany. Mbola maro amin’izy ireny no mahatsapa fa voahilika eo anivon’ny fiaraha-monina, misy ihany koa ny milaza fa tsy voaja intsony ny zo maha olona azy. Hita eny amin’ny fiaraha-monina ny fandrabirabiana sy ny fanesoesoan’ny olona azy ireny. Sarotra kokoa mihoatra ny amin’ny olona tsotra ny fiatrehan’ny olona manana fahasembanana ny fiainany an-davan’andro. Tokony hisitraka ny tombotsoa rehetra eto antanàn-dehibe anefa izy ireny. Na misy aza ny lalàna miahy izany, ny fanatanterahana izany no hita fa mbola mananosarotra eto amitsika. Lasa miafiafy, tsy sahy manatanteraka ny zavatra iriany sy tiany arak’izany izy ireny satria matahoatra ny fiaraha-monina, tsy misy miraharaha ihany koa etsy ankilany. Mila fandraisana an-tanana manokana anefa izy ireny satria miha-betsaka raha araky ny antontan’isa navoakan’ny mpiandraikitra farany teo.Efa manao ny ezaka rehetra ny fikambanana misahana azy ireo amin’ny fanomezana fampiofanana maharitra ho azy hiatrehany ny fiainany, misy amin’izy ireo ny manampy ara-bola sy ara-pitaovana. Raha ny hita mantsy,misy ny manana faniriana sy tanjona mahafinaritra ny ankabeazan’izy ireny na dia olana sedrainy ary ny tsy fahatomombanana eo amin’ny vatany.
Fanilo Rarivoarilala
