ActualitésTsidika

Fotodrafitr’asa: Efa manomboka mihena ny saran-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-9

Efa andalam-pahavitana avokoa amin’izao fotoana izao ny lalam-pirenena fahasivy izay mampitohy ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe. Mirefy 480km ity lalam-pirenena hamboarina ity ary efa mandroso be ny asa. Raha roa hatramin’ny telo andro no namitana izany lalana izany teo aloha dia efa vita oa anatin’ny adiny 10 eo ho eo izy ankehitriny. Zava-dehibe amin’izany dia nidina niaraka tamin’izay ihany koa ny saran-dalana.

“Nidina 15 000 hatramin’ny 20 000 ariary ny saran-dalan’ny fiara fitaterana mampitohy an’i Manja sy Toliara, raha 50 000 ariary teo aloha. Nihena hatramin’ny antsasany koa ny saran-dalana mampitohy an’i Bevoay sy Manja.  10 000 ariary izany ankehitriny raha 20 000 ariary teo aloha. Velom-panantenana ireo mponina satria anisan’ny manamora ny fihariana sy ny fitadiavam-bola ny fahavitan’ity lalana ity”, hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Morondava.

Mizara roa ny asa. Ny tapany voalohany mampitohy an’Analamisampy sy Bevoay, ary ny tapany faharoa mampifandray an’i Bevoay sy Manja. Samy eo an-dalam-pahavitana avokoa izy ireo amin’izao. “Faly mahita ity lalana vaovao ity satria hanamora ny famoahana ny entana. Afaka hamatsy faritra maro ihany koa ny vokatra avy ato aminay amin’ity. Hanala sy hampihena ny fahasahiranana ihany koa”, hoy i Tiana, mponina ao Manja.

Anisan’ny efa ezaka hataon’ity fitondrana amin’izao fotoana izao itony fanamboarana lalana itony. Hirariana fotsiny tsy ho anisan’ilay foto-drafitr’asa “tip top” izany ka tsy hisy ho lovain’ny taranaka.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire