Masindray: Hanampy ny fidiram-bola sy hanatsara ny tontolo iainana ny tetik’asa vaovao
Misy ny tetik’asa fividianana ireo fako organique ao amin’ny kaominina Masindray. Ireo mpisehatra amin’ny « piscicole » na ny fiompiana trondro ao an-toerana no manatanteraka ny tetikasa, araka ny voalaza.
« Natao indrindra ho an’ireo izay te hanampy vadin’asa sy ho fanampiana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ity tetik’asa vao manomboka ity. Izany dia amin’ny alalan’ny fividianana ireo fako ilaina (déchet organique) avy amin’ny biby, ny legioma sy ny voankazo efa simba » hoy ny tomponandraikitra misahana ny tetikasa.
« Tena tsara ity tetikasa iray ity satria maro ireo tombotsoa azo. Ankoatra ny fiarovana ny tontolo iainana dia mamporisika ny olona tsy hanary ny fako ary mamporisika hanangona izany na eny an-tanàna na eny an-tsaha. Ny fampiasana zezika biolojika koa tena mahasalama » hoy i Mélodie, mponina ao Masindray.
Manomboka amin’ny 200ar ka hatramin’ny 500ar moa no sarany hividianana ireo fako ilaina ireo. Mbola voafetra ho 100kg anefa no fako raisina isan-kerinandro amin’izao fiandohan’ny tetikasa izao.
Manitra R.
