Fandriam-pahalemana: Azo fehezina ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalana, hatevenina izany asa izany
Anisan’ny antony mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ny fitazomana basy, indrindra fa ireo basy tsy manara-dalana. Zo ny miaro ny vady aman-janaka sy ny fananana saingy ireo zay manana taratasy sy mahaloa hetra ara-dalàna ihany no afaka mitazona basy. Azo atao ny mifehy io basy miparitaka io ary tena tsy maintsy hatao. Misy amin’ireo manana basy no entiny mikarama na manao asa ratsy, ary mahafaty olona maro, hatramin’ny mpitandro filaminana. Maro ireo hetsika hataon’ny mpitandro filaminana hamehezana izany.
“Amin’ny alalan’ny famongorana ireo mpivarotra basy no hahafahana mamehy azy io hatramin’izay. Efa nisy ihany koa ny fiantsoana famerenana basy miparitaka any amin’ny olona any. Misy ireo nanatitra ary misy ihany koa anefa ireo tsy nanatitra. Misy ihany koa avy amin’ireo mpivarotra basy ara-dalàna ary efa mandeha ny ezaka amin’izao fotoana izao”, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.
Namafisina ihany koa ny fomba firaketana basy hahafahana miady amin’ity raharaha ity. “Nantsoina ny « Bureau de Défense de District » (BDD) sy « Bureau Provincial de Défense » (BPD) nanamafisana ny fampianarana momba ny fanoratana basy. Nampitandremina ireny tomponandraikitra ireny mba hanadihady tsara ny olona tonga hanoratra basy ao aminy hoe: avy taiza ny basy? novidina taiza? aiza ny faktiora?… », hoy hatrany ny fanazavana.
Tsara ny mampatsiahy fa efa 5 volana lasa izay no efa niresaka momba ity tranga ity ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Azo atao tsara ny mamehy ity asa ratsy ity ary hirariana ny hahitam-bokany izany.
Miora Raharisolo
