ActualitésTatitra

Russie : Mitohy ny fanadihadiana momba ny fahafatesan’ny ministra lefitra ao an-toerana

Nanao fanambarana ny minisiteran’ny siansa sy ny fampianarana ambony ao Russie ny fiandohan’ny herinandro teo fa namoy ny ainy ny minisitra lefitr’izy ireo Piotr Kucherenko, izay sekreteram-panjakana ihany koa. Raha ny fanazavana dia maty tampoka tao anaty fiaramanididna nitondra azy avy any Cuba izy.

Nilaza tamin’ny alalan’ny Telegram ny rafi-pitantanana fa narary tampoka teny an’habakabaka io mpanao politika 47 taona io. Manoloana izany dia voatery nipetraka tao amin’ny tanànan’i Mineralnye Vody, ao atsimo atsinanan’i Russie ny fiaramanidina. Niezaka nanavotra avy hatrany ireo mpitsabo tao an-toerana saingy tsy tana ny aina.

Mbola tsy fantatra mazava hatramin’izao ny nahafaty an’i Piotr Kucherenko saingy efa natao ny alarobia teo ny fizahana ny razana. Mampiahiahy ny fahafatesan’io sekreteram-panjakana io raha ny fanazavana ka mitohy ny fanadihadiana momba izany.

Laisser un commentaire