Avaradrano: Ny kaominina Anjeva no hanatanterahana ny dingana manaraka amin’ny “tournoi intercommunal” eo amin’ny taranja basket-ball
Miditra amin’ny herinandro fahatelo hanatanterahana ny lalao ara-panatanjahan-tena, eto amin’ny distrika Avaradrano, amin’ny taranja Basket-ball. Eny amin’ny kianjan’ny kaominina Anjeva Gara indray no hanatanterahana izany amin’ny alahady 24 septambra 2023.
“Mahasika ny fandaharan-dalao ho an’ity faran’ny herinandro ity; ny alahady izao, hanomboka amin’ny 09ora sy sasany maraina tahaka ny mahazatra ny lalao. Hiakatra kianja voalohany, eo amin’ny sokajy lehilahy, ny ekipan’ny Kaominina Alasora hifanandrina amin’ny ekipan’ny Sabotsy Namehana. Amin’ny 11ora sy 45 minitra kosa ny lalao ihaonan’ny Talata Volonondry sy Ankadikely Ilafy” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara ny lalao.
“Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, toeranan iray ihany ary hanomboka amin’ny 10ora sy sasany maraina, ny kaominina Ambohimangakely ihaona amin’ny kaominina Alasora. Ny tolakandro kosa, hanomboka amin’ny 1ora sy sasany ny lalao hifanatrehan’ny Ankadikely Ilafy sy Sabotsy Namehana, eo amin’ny sokajy vehivavy hatrany ary hamarana ny tontolo andro ny sokajy lehilahy, lalao ihaonan’Anjeva sy Ambohimangakely” hoy hatrany ny fanazavana.
Hamafisina ny fanentanana ny rehetra, ho avy hanatevin-daharana hanohana ireo ekipa tsirairay avy mandritra ireo lalao izay hitranga satria hery lehibe ho an’ny mpilalao izany. Ireo ekipa izay efa vonona tanteraka amin’izao fotoana.
Manitra R.
