Ambohimahitsy Ambohimangakely : Lehilahy iray nilatsaka avy teny ambony tevana
Lehilahy iray no hitan’ny fokonolona teo Ambohimahitsy nilatsaka teny ambony tevana ny 22 novambra lasa teo. Tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga azy nilatsaka tahaka izao, fa kosa hita fa mbola velona ihany izy.
« Mbola misy aina izy na dia mafy aza ny fianjerana teny ambony teny saingy kosa tsy fantatra mazava no tena antony nahatonga izao loza izao » hoy i Arlette, mponina teny amin’ny manodidina. « Namono tena ve sa narary tampoka dia nianjera tsy nahy na ihany koa mety nisy nanosika teny ambony teny, azo eritreretina ho mety nahazo azy avokoa izany saingy managataka ny mba hisian’ny fanazavana sao sotasotan’olona izao ka afa-maina any fotsiny izy » hoy i Mino, monina eny Ambohimahitsy.
« Misy hafanana izao ka maro ireo tsy mahazaka izany ka fanipanina mihitsy kanefa mila mitandrina mandrakariva isika ho an’ny aintsika, sarobidy ny aina ka tsy tokony hiala fotsiny amin’izao » hoy i Dokotera Gerard. Nampalahelo tokoa ny zava-nisy satria tsy fantatra mazava izay nahatonga ny loza fa ny fantatra dia ain’olona io ka mila fiarovana na dia eo am-paoizam-po aza. Manana asa hiaro ny ain’ny mpiara-belona amintsika isika ka tsy azo ekena ny endrika famonoan-tena mivantana na an-kolaka, ny famonoan’olona iany koa na nahy na tsy nahy.
Nicole Rafalimananjara
