Ambohimangakely : Tsy tokony hiandry ny kaominina vao hahay hiaro tena sy hanaja ireo fitsipika ara-pahasalamana
Mitohy ny fanentanana amin’ny fampanajana ny fepetra sakana hisorohana ny covid-19 ataon’ny Kaominina Ambohimangakely. Mangataka ny fanentanana fandehanana an-tsehatra ny mponina any an-toerana fa tsy ao anaty tambajotran-tserasera irery ihany.
« Mila mitandrina sy manaraka ireo fitsipika efa napetraka isika eto Ambohimangakely manoloana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. « Betsaka ny olona tsy manao facebook ka tokony handeha eny an-dalambe mihitsy ny kaominina manao ny fanentanana ary miainga ao amin’izy ireo aloha ny fanajana izany fepetra ara-pahasalamana izany vao manentana ny vahoaka izy ireo » hoy i Fifaliana, mponina ao Ambohimangakely.
« Ny ao anaty fiara fitateram-bahoaka mankaty Antanetibe moa dia tsy mba misy manao arotava izany mihitsy, izaho ihany koa izoa mijery anareo ao amin’ny Kaominina tsy misy manao arovava izany indrindra ny kaominina kaominaly » hoy i Noro, mponina any an-toerana.
Atahorana hiparitaka be indray ity aretina ity, tsy tokony hiandry fanentanana anefa ny mponina fa ny fahatsapahan-tena no zava-dehibe. Tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany ny tsirairay ka tsy tokony hiandry ny hafa vao hahatsapa tena ary adidintsika ihany koa ny manentana ny mpiara-belona amintsika.
Nicole Rafalimananjara
