Franchise universitaire: Amin’iza no hitaraina ireo mpianatra?
Velon-taraina ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo manoloana ny zava-misy ny olana miseho eo amin’ny lafin’ny fampianarana. Raha mahakasika ny zava-niseho tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika fitakiana nataon’ireo mpianatra, dia mahatsiaro voatohitohina sy tsy misy mijery ireo mpianatra manoloana ny zava-misy.
« Tsy sanatria hampitombo ny olana efa misy no tanjona ao anatin’ny hetsika fa fitakiana ny rariny sahaza anay mpianatra no tadiavina. Indrisy anefa fa ireny no zava-niseho, herisetra sy fisamborana ny mpianatra no valin’ny fitakiana » hoy i Heriniavo, mpianatra Ankatso.
« Misy ny lalàna mpietraka eto Madagasikara, ary izany dia natao hifampifehezana. Misy ihany koa anefa ireo mitaky ny rariny sy ny hitsiny. Ny vahaolana tokony asehon’ny tompon’andraikitra dia ny famaliana araka izay azo atao ary misoroka ny mety ho korontana rehetra hialana amin’ny tranga tahaka ireny satria sady mitondra henatra amin’ny firenena hafa amin’ny fotoana hanatanterahana ny lalaon’ny nosy izao » hoy ireo mpandinika fiaraha-monina.
Raha tsiahivina ny zava-misy, dia tafiditra tao amin’ny faritry ny oniversiten’Antananarivo ireo mpitandro filaminana, handrava ny hetsika fitakiana nataon’ireo mpianatra, araka ny fanambarana nataon’ny filohan’ny oniversite.
Manitra R.
