ActualitésTsidika

Anjeva : Nitohy tao Anjeva gara ny hetsika fitsidihana ifotony

Notohizana tao amin’ny fokontany Anjeva gara, ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, nataon’ny ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina Anjeva gara, tamin’ny herinandro teo.

« tahaka ireo fanao mahazatra, nametrahana ireo komity hiasa ao amin’ny fokontany ary nampahafantatra ny andraikiny avy. Nampitaina tamin’izy  ireo ihany koa ny toromarika isan-karazany ary indrindra tao an-toerana dia nanehoana ny fahavononana hanohy ny lalana mandritra ny dimy taona manaraka » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« anisan’ny tena nitondra fivoarana sy fampandrosoana ho an’ny kaominina Anjeva raha ny mpitantana amin’izao fotoana. Maro ireo asa mivaingana vita, hita eny amin’ireo sehatra maro izany. Mbola maro anefa ireo asa miandry azy ary hirariana tokoa ny hitohizan’izany hatrany, ho reharehan’ny distrika ny kaominina ity » hoy i Solo, mponina ao Anjeva.

Hetsika iray hijerena ireo asa fampandrosoana isam-pokontany sy isam-bohitra ny ben’ny tanàna mitety vohitra. Mbola maro ireo asa miandry ary misy ireo vohitra mila fanarenana amin’ny lafiny maro, araka ny fangatahan’ny mponina eny ifotony.

Laisser un commentaire