SocialTsidika

Mila antsika mifanampy sy mifanohana ny firenena.

Mbola tsy very ny soatoavina maha malagasy amin’izao na dia efa saika simban’ny fahantrana aza izany. Isika samy isika aloha no miezaka mifanampy sy mifanohana mba hampandroso, izay vao manaraka ny any ivelany. Izay manana no mizara ho an’ny tsy manana na manohana ho an’ireo mila izany. Ny tandavam-piarakodia na ny « caravane du Sud izao nanolotra vary 100 gony sy tsaramaso 25 gony ho an’ny fikambanan’ny masera ao amin’ny Kaominina renivohitra Amboasary Atsimo. Manampy amin’ny fanohanana ara-tsakafo ireo sahirana any an-toerana ity fikambanana ity. Notarihan’ Andriamatoa Jerry Hatrefindrazana, Governoran’ny Anosy, sy ny Jeneraly Pikulas Démosthène ,kaomadin’ny BMM3, ny hetsika “caravane du sud”. Tetsy an-kilany ihany koa, nanolotra vatsy ho an’ny tobimiaramila ao Antsiranana ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Natao izany mba ho fanohanana azy ireo amin’ny asa sahaniny ary hanatsarana hatrany ny andavanandrony. Tsy izay ihany anefa no endrika fifanampiana misy amin’izao fiadiana amin’ny hanoahanana sy ny tsy fahampian’ny sakafo izao fa miseho amin’ny endrika maro. Ilaina araka izany ny tohana ara-tsakafo mba hahatomady ny rehetra ka hampandroso miaraka ity firenena. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire