ActualitésTsidika

Ambohimangakely : 250 isa ireo zazalahy  vita hasoavana, 300 tonga nizaha fahasalamana

Notontosaina tamin’ny sabotsy 10 jona teo ny hetsika didi-foitra faobe sy fizahana fahasalamana tao amin’ny kaomionina Ambohimangakely, ho an’ity taona 2023 ity. Zazalahy kely miisa 250 no vita hasoavana nandritra izany, raha manodidina ny 300 isa kosa ireo tonga nizaha fahasalamana, araka ny voalaza.

“Hisaorana ireo rehetra tonga namaly ny antso. Hisaorana ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka izay niara-niasa ihany koa ka nahantontosa izao hetsika izao” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Zava-dehibe ho an’ny mponina ety ifotony ny hetsika tahaka izao. Maro ireo olona no tsy mahatakatra ny fitsaboana sy ny fizaham-pahasalamana eny amin’ny toeram-pitsaboana intsony ka amin’ny hetsika tahaka izao no manararaotra” hoy i Aro, mpanentana amin’ny fahasalamana.

Mahaliana ny olona hatrany ny lafin’ny fitsaboana sy fizaham-pahasalamana maimaim-poana tahaka izao. Ny fanaovan’ny tomponandraikitra ho laharam-pahamehana dia anisan’ny endriky ny fandraisana andraikitra, indrindra fandraisana an-tanana sy fanohanana ny mponina.

Manitra R.  

Laisser un commentaire