Colombie : Velona soa aman-tsara ireo mirenireny tao an’alan’ny Amazonie
Raha tsiahivina dia fiaramanidina kely iray no nianjera tao amin’ny alan’ny Amazonie efa ho iray volana mahery lasa izao. Olona 7 no tao anatin’izany, olon-dehibe telo ary ankizy efatra izay 13, 9 sy 5 taona ary zaza 12 volana. Namoy ny ainy ireo olon-dehibe tao anatin’ilay fiaramanidina raha mirenireny tao an’ala kosa ireo ankizy efatra.
Raha ny tatitry dia 40 andro katroka no nisehoan’ny loza ary tao anatin’izany dia nanantena sary tsy nitsahatra nikaroka ireo ankizy ireo tompon’andraikitra. Nody ventiny ny rano nantsakaina, hita soa aman-tsara i Lesly (13 taona), Soleiny (9 taona), Tien Noriel (5 taona) ary Cristin (1 taona). Nilaza i kosa ny iray tamin’ireo mpamonjy voina, Nicolas Ordonez Gomes fa vantany vao nahita ny lehibe tamin’ireo ankizy ireo dia « noana aho » no teny nolazaina voalohany. Nilaza kosa ny iray tamin’ireo zazalahy hoe « maty i neny » raha ny fanazavan’io tompon’andraikitra io.
