Afrique du Sud : Voaheloka teo anatrehan’ny lalàna i Jacob Zuma
Voarohirohy ho nanao kolikoly sy ny fanadiovam-bola nandritra ny taona 1990 ilay filoha teo aloha any Jacob Zuma sy ny Mpiantafika frantsay Thales iray. Efa roampolo taona mahery izay no nitrangan’izao kolikoly izao saingy izao vao hita raha nanadihady ilay fanadiovam-bola nisy ny taona 2018. Hiakatra fitsarana androany 28 may izy ireo. Voaantso nanao hosoka tamin’ny 17 may lasa teo nanoloana ny fitsarana ihany koa i Jacob Zuma saingy natanjaka ny mpisolovava, ka lasa i Billy Downer, izay niray tsikombakomba taminy, indray no meloka. Tsy fantatra izay hitranga anio satria ho mafy ny ady hevitra. Nanangana vavolombelona maherin’ny 200 mantsy ny Minisiteram-bahoaka hanamafy ity tranga tamin’ny 1990 ity.
