ActualitésTatitra

Irak : Miisa roa no maty nandritra ny fifandonana tao Bagdad

Mpanao fihetsiketsehana roa no maty ary am-polony no naratra tany Bagdad Irak omaly nandritra ny tolona natao. Manomboka ny voalohan’ny volana jona izao no hanaovana ny fanadihadihana mikasika nby nahafaty ireto mpanohitra roa ireto. Nangataka ny hamoahana ireo miaramila namono ny olona roa ireo ny vahoaka mpitolona. Saingy tonga ny miaramila maro hafa nanampy tamin’ny fandravana ireto olona ireto tamin’ny tifitra raha novaliana tora-bato izany. Betsaka ny naratra, nisy ihany koa ny fandorana trano, ny tora-bato ary ny tifitra tamin’ny bala tena izy. Raha nitolona nanohitra ny fitondrana no antony nilatsahana an-dalam-be tahaka izao.

Laisser un commentaire