La Réunion : Enina izay no zaza nisy namono nanomboka ny taona 2013
In-enina izao no famonoan-jaza nisy tany La Réunion nanomboka ny taona 2013 lasa teo. Nisy an’i Mathéo, 3taona, izay zazalahikely nisy namono tany Saint-Benoît. Tao ihany koa i Elianna, 2 taona, izay maty tamin’ny 2018 tany Saint-André ka ny raikeliny ihany no voaheloka tamin’ny famonoana azy ka nigadra 20 taona any am-pigadrana.Zaza telo be izao ihany koa no indray maty tany Port ny taona 2019 ka ny rainy ihany no namono azy raha miisa 4 no zanak’ity rangahy ity k any telo no novonoiny. Ny 1 jolay teo i Gabriel, 3 taona, no maty nisy namono ka rah any valin’ny fizahana nivoaka ny sabotsy teo dia nahitana dian’antsy maro teny amùin’ny vatany. Zaza enina be izao araka iznay no maty tao anatin’ny 8 taona tany La Réunion.
