ActualitésTsidika

Kolontsaina : Tsara henoin’ny tanora ankehitriny ireo hira nosoratan’i Henri Ratsimbazafy

Mpanakanto Malagasy, mpihira sy mpamoron-kira ary mpanofana mpihira i Henri Ratsimbazafy. Teraka ny 29 mars 1933 tao Ankadifotsy, Antananarivo, ary injeniera momba ny travaux publics izy rehefa avy nahazo vatsim-pianarana ka nandranto fianarana tany Nantes fony izy 17 taona. Izy dia zaza faharoa, avy amin’ny tokantrano tso-piainana izay nisy enina mianadahy. Ny rainy no nanorotoro azy ny momba ny mozika raha vao 7 taona monja izy. Notrandrahany teny izany ary nisy mpampianatra mozika nianarany izany tato aoriana, toa andry Roland Raelison. Niditra tamin’ny sehatramaha mpanakanto azy taona 50 tany ho any i Henri Ratsimbazafy. Folo taona taty aoriana, ny taona 1960, vao niseho voalohany teny an-tsehatra. Mpanoratra sy mpamoron-kira, izy koa dia mpanakanto. Ny mahasamihafa azy amin’ny mpihira hafa: ny sanganasany ihany no entiny. Noho ny zava-bitany ara-javakanto dia nahazo ny mari-boninahitra izay fanao ho an’izay efa nodimandry, raha ny mahazatra i Henri Ratsimbazafy, dia ny « Grand Officier de l’Ordre National Malgache ny taona 2009 ; ary ny Grand-Croix de 2ème Classe de l’Ordre National de Madagascar, nanamarihana ny faha 85 taonany ny 29 mars 2018. Raha atambatra dia mahatratra 250 ny hira noforoniny, amin’ny teny malagasy sy frantsay. Maro ny efa vakoka na tsy fantatry ny tanora intsony ankehitriny, saingy manentana ny tanora izy mba hihaino ny hafatra sy ny anatra anatin’ny tononkirany.

Laisser un commentaire