ActualitésTatitra

Europe : Hanokana 800 tapitrisa Euros ho an’ny fiarovana ny ranomasina ny Union Européenne

Nanao fanambarana ny vondrona eropeana fa hanokana vola 800 tapitrisa Euros ho an’ny fiarovana ny ranomasina amin’ity taona 2023 ity manoloana ny fanokafana ny fihaonambe iraisam-pirenena « Our Ocean » ao Panama. Nanamafy ny fanoloran-tenany izy ireo amin’ny « fitantanana iraisam-pirenena ny ranomasina », amin’ny alalan’ny fanatanterahana hetsika fanoloran-teny 39 amin’ity taona ity.

Tao alohan’io fanambarana io dia naneritery ny mpifanaraka ny « traité sur la haute mer » ny sekretera jeneralin’ny ONU ary nitaky lahatsoratra mafonja sy fatra-paniry hiarovana ny ranomasina. Tsy azo odian-tsy hita intsony ny loza manambana ny ranomasina hoy Antonio Guterres tamin’ireo delegasiona nivory tao New York.

Laisser un commentaire