ActualitésTsidika

Alasora: Hisy ny hetsika goavam-be hiarahana amini’ireo mpanakanto malaza

Ho fankalazana ny asaramanitra 2023, hisy ny hetsika fampisehoana goavana izay atolotry ny kaominina Alasora ny alahady 25 jona. Mpanakanto fanta-daza maro no hiaka-tsehatra ao amin’ny Kianja maitso mandritra izany.

« Seho goavana ary hiavaka no hatolotry ny ben’ny tanàna sy ny mpanolo-tsina eto an-toerana ho fanamarihana ny fetin’ny fahaleovan-tena. Hanolotra seho mandritra izany ny mpanakanto Misie Saida, Skaiz ary Beriz Jah » Hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina

« Ilaina ihany ny miala voly, indrindra amin’izao fotonaa mahabe fahasahiranana ny mponina izao satria efa rotoroto lava ny fianana ka mila mitsahatra, miala voly ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny saina » hoy i Mireille, mpianatra ny taranja Psychologie.

Hetsika efa fanao mahazatra ao amin’ny kaominina ny podium ho fanamarihana ny fetim-pirenena. Arahana arendrina ho an’ny ankizy ihany koa moa izany.

Manitra R.                                                                                                                

Laisser un commentaire