Pays-Bas: “La jeune fille à la perle”, antsoina koa hoe « La Joconde du nord »
Raha any Paris ao amin’ny « Musée du Louvre » no misy ny La Joconde dia any Pays Bas kosa ny misy ity sary iray ity, izay saika nitovy taminy ihany ka nahazo ny anaram-bositra hoe « la Joconde du Nord »
Ny taona 1665 no nanaovan’i Johanes Vermeer ity sary hosodoko maneho ity tovovavy ity miaraka amin’ny kavina sy ny saron-dohany. Natao tamin’ny alalan’ny “peinture à l”huile” izy ity ary io no sary mampalaza indrindra ity mpanao sary hosodoko ity noho izy izay voalaza fa fangalarana tahaka ny asa tanàn’i Leonard de Vinci. Araka ny firafitry ity sary ity moa no antony nazahoana io anaram-bositra io satria ny La Joconde dia sarina tovovavy fotsy hoditra naseho teo ambonina loko mainty na hoe “fond sombre” mba hampivoaka tsara ilay lokon’ny tavany sy ireo loko rehetra hampiasaina. Toy izany ihany koa no fikafika natao tamin’ity sarin’i Vermeer ity.
