Canada : I Isa-Bella Leclair no ambasadoaran’ny « Syndrome de Parkes Weber »
Vehivavy iray avy ao Campbellton Canada i Isa-Bella Leclair. Mitondra ny aretina tsy fahita firy « Syndrome de Parkes Weber » izy efa hatramin’ny fahakeliny. Hita taratra ety ivelany ny « Syndrome de Parkes Weber », lehibe avo roa henin’ny tongon’i Isa-Bella Leclair avia ny tongony havanana.
Ny « Syndrome de Parkes Weber » moa dia fikorontanan’ny fiasan’ny lalan-drà ka lasa mampiasa mafy kokoa ny fo. Tsy mahasakana an’i Isa-Bella Leclair hiaina toy ny olona rehetra nefa io fahasamihafany io. Tys atao sakana hanatanterahana ny nofinofiny rehetra hoy izy fahasembanana misy eo amin’ny vatany.
Io vehivavy io no ambasadoaran’ny « Syndrome de Parkes Weber » ary namela hafatra ho an’ny mety manana samihafana toa azy izy fa ny fahatokisan-tena no zava-dehibe amin’ny fitondrana io aretina io.
