Alasora: Mamaraparana ny asa fanitaran-dalana miakatra ao amin’ny kaominina
Ao anatin’ny famaraparana ny asa fanitaran-dalana, miakatra ao amin’ny kaominina Alasora, ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao.
« Mamaraparana ny asa fanitaran-dalana miakatra eny amin’ny kaominina isika. Andiany voalohany izy io fa hitohy araka ny enti-manana eto am-pelatanana ny asa » hoy ny avy amin’ny kaominina Alasora.
« Efa ela no niandrasana ny asa fanitarana ity lalana ity. Anisan’ny lalana tena tery loatra kanefa be olona mivezivezy » hoy i Faniry, mponina ao Alasora.
Tena ilaina ny asa fanitaran-dalana tahaka izao. Ao anatin’ny fandrosoan’ny kaominina, dia miha mitombo ihany koa ireo fiara mifamezivezy ao an-toerana. Ilaina anefa ny fikojana sy ny fanaraha-maso ny lalana, indrindra ny eo amin’ny fivarinan’ny rano, ity farany izay tena antony manimba ny lalana.
