ConseilTsidika

Antongona : Fanjakan-dRalambo no niorenan’ny tanàna

Ny vazimba Zanakalondrano no voalazan’ny tantara amin’ny firaketana eny amin’ny rova sy ny lovantsofina fa mponina fahiny teo amin’ny faritra Antongona. Tany amin’ny taonjato faha16, fanjakan-dRalambo no niorenan’ny tanàna, raha ny fantatra.

Andriambodivato no nalefan-dRalambo hipetraka teo Antongona, niaraka tamin’ireo zanak’Andriampolofantsy sy zanak’Andriampanarivomanga ary ireo Zanadrambavy hiambina ny toerana. Hanosika ireo vazimba hiankandrefana, ary hiambina ny vavantany tamin’ny fanafihan’ny Sakalava no tanjona tamin’izany. Mpanjaka roa no fantatra fa nonina teo Antongona, Andriamioro sy Andrianjafimioro. Noheverina fa nifindra teny Andramasina ny fanjakana taty aoriana.

Mizara telo ny tendrombohitr’Antongona : Ambohibato, Antampon’Antongona (izay misy ny fanjakan’Imerina), Ambohimirandrana (izay misy ny fanjakan’Imamo). Misy vavahady 7 vao tafiakatra eny Antampon’antongona. Noho ny fifanarahana nataon’ny mpanjaka Andriamasinavalona sy ny mpanjaka Andriambahoakafovoanitany dia tsy nifanafika ny vohitra roa teo Antongona, tsy nifanambady ihany koa ary fady ny mitondra vato avy amin’ny vohitra iray mankany amin’ny iray. Fady tongolo, toaka, kisoa ihany koa ny toerana. Io toerana io no nahatonga ny fomba fiteny hoe « Ny voatapia tsy miakatr’Imerina ary ny amberivatry tsy midin’Imamo ».

Laisser un commentaire