Ankadikely Ilafy : Nahazo birao vaovao ny Polisim-pirenena
Nisy ny fandraisana ara-teknika ny birao vaovao an’ny Polisim-pirenena, eny Andranovelona, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. Nandray ny asany avy hatrany ireo Polisy izay napetraka ho ao amin’izany toerana izany.
« Azon’ny mponina avy hatrany ny manantona anay rehefa misy ny tranga mampiahiahy. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary hampandry fahalemana eto amin’ny tanàna no anjara asanay Polisy. Mifameno isika ka tsara raha miara-miasa » hoy ny avy ao amin’ny Polsiim-pirenena. « Isaorana ireo tomponandraikitra eo amin’ny Polisim-pirenena izay tarihin’ny Minisiteran’ny Filaminana anatiny namaly ny fangatahan’ny kaominina Ankadikely-Ilafy. Aoka tsy hisalasala intsony ny mponina eny amin’ny manodidina raha misy ny tsy metimety ara-pandriam-pahalemana izany » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.
Hanampy betsaka ny mponina hiaina am-pilaminana tokoa ny fisian’ity biraon’ny Polisy vaovao ity. Betsaka tokoa mantsy ny tranga nampitaraina ny olona ka namaliana ny fitarainany.
Nicole Rafalimananjara
