Madeha ny resaka mikasika ny vadin’ny minisitry ny serasera
Namoahan’ireto mpanohitra tsikera maloto faharoa indray ny minisitry ny serasera sy ny vadiny. Namoaka fandraisam-peo tsy nisy sary ry zareo mpanohitra avy ao amin’ny RMDM nilaza sy nitsikera ny vadin’ny minisitry ny serasera sy ny kolon-tsaina Andry Andriatongarivo izay sady Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo.
Raha ny tao anatin’ilay fandraisam-peo dia antson’olon-droa nifandrahona no tao, resaka fampitahorana sy fandrahonana higadra, izay nifanaovan’olona iray sy jeneraly iray. Raha ny sary navoakan’ireto farany teo ambonin’ilay fandraisam-peo dia sarin’ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo Andry Andriatongarivo, niaraka tamin’izany ny anarany sy ny asany teo ambany. Raha ny voalazan’ireto Mpanohitra dia feon’ny Sekretera jeneralin’ny Angovo ilay nandrahona ary jeneraly iray no nifampiantso taminy. Marihina vao tsy ela akory anefa no naneho hevitra nanameloka ny fanaratsiana azy ny minisiteran’ny serasera sy ny kolon-tsaina ary ny antoko Freedom.
Tsy manaiky moramora mihintsy anefa ireto mpanohitra fa miezaka mitady sy mikaroka zava-baovao foana. Nolaizainy fa voarohirohy taminà fanodikodinam-bolam-panjakàna tamin’ny Covid19 koa ny minisitra, tsy mbola nisy porofo anefa izany hatreto. Niparitaka tamin’ny tamba-jotra serasera avokoa izany rehetra izany ary endrasana ny mety ho valiny avy any amin’ny sakretera jeneralin’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo.
Namaly tao amin’ny pejiny kosa ny minisitry ny serasera ny Alakamisy 9 septambra teo mba hahatongavan’ireto mpanohitra saina fa « tsy ho faly ny hitsikera ny fiain’ny hafa fotsiny, ary raha hitsikera anay hoy izy dia mba zavatra mitombona no avoaka ».
Mitaky ny fametraham-pialan’ny minisitry ny serasera ireo mpanohitra, saingy mbola tsy nisy kosa aloha hatraeto ny didim-panjakàna nivoaka nanameloka io minisitra io. Tsy hay hoe misy tetika ambadika ve ny an’ireto mpanohitra sa mety misy zava-miafina fantany tokoa ?
Lovasoa Tojonirina
