Miara-miasa ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Vondrona Eropeana
Tsy mitsahatra ny mikaroka vahaolana hatrany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.. Nisy ny fifanarahana nataon’ny Ministera sy ireo mpiara miombon’antoka, ny Vondrona Eropeana ho fanatsarana sy fanamafisana ny fenitra ara-tsakafo.
Nandritra izany fotoana izany no nanolorana solosaina sy fitaovana mifanaraka amin’ny tetik’asa fanatsarana hotontosaina. izany no natao hampizotra antsakany sy andavany sy asa izay hiantsorohan’izy ireo. Efa maro ireo mpanao asa soa nanampy sy nanao ezaka iadiana amin’ny tsy fahampin-tsakafo misy eto amin’ny firenena Malagasy. « Nanome sakafo ara-pahasalamana ny mponina teo izahay anio, manao asa hanasoa ny mpiara-belona no tanjonay, izay kely hanana no entina hampiana ny mpiara-monina. Nisafidy ity faritra ity izahay hanaovana ny asa sosialy noho izy be fianakaviana sahirana » hoy i Bernard, mpanao asa sosialy.
« Ara-pahasalamana ny sakafo iray rehefa mampitombo ny otrik’aina amin’ny olona iray, raha misy ny fahefana dia tsara raha mihinana voankazo iray isan’andro fara-fahakeliny ny olona iray, ovaina isan’anro ny legioma. Hajanona ny fihinana ireny sakafo misy vokatra simika izay isan’ny miterak tsy fahasalamana » hoy i Dr Sariaka.
Tsy tokony hijaly ara-tsakafo isika Malagasy nohon’ny fisian’ny velara-tany malalaka afaka ambolena eto amintsika, tsy tokony hiantehatra amin’ny ivelany intsony isika raha toa ka vahaolana miroso amin’ny fampandrosoana maharitra no tadiavin’ny tompon’nandraikitra. Azo heverina ve ny hahafoana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ?
Haingo Andriamihaja.
