Antananarivo: Hasiam-panamboarana ireo lakan-drano sy fivoahan-drano
Tafiditra ao anatin’ny programan’asan’ny Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo (PIAA) ny fanarenana ireo lakan-drano sy fivoahan-drano ato anatin’ny Tanànan’Antananarivo. Ny tanjona amin’izany dia hahafahana manamboatra ny Grand Tana sy fiarovana amin’ny tondra-drano. Fotoana iray ihany koa ho fanatanterahana ny fampandrosoana ara-drafitra ny fanajariana ny tany amin’ny lemak’Antananarivo. Vatsian’ny France vola amin’ny alalan’ny Agence Française de Développement (AFD) sy ny Union européenne ity tetik’asa ity ka araka izany dia notolorana fampitaovana ireo tompon’andraikitra toa an’ny CUA, SMA ary ny APIPA ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Haharitra 5 taona ity asa ity izay hotarihin’ny Ministeran’ny Rano, ny fidiovana ary ny Fahadiovana.
