Ambohimangakely: Tonga nitsidika ny toeram-pitsaboana ny Fondation BROHFMAN
Tonga nitsidika ny toeram-pitsaboana Ambohimangakely ny avy amin’ny fondation BROHFMAN, avy amin’ny banky iraisam-pirenena teo aloha, ny alarobia teo. Nitarika ny fitsidihana nataon’izy ireo tao an-toerana ny ben’ny tanàna ao an-toerana, raha ny voalaza.
» Ny fijerena ireo efitra fandraisana marary no tena natao nandritra ny fitsidihana teto an-toerana. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanolorana fanampiana avy amin’izy ireo dia ny hampidirana rano fisotro madio ho an’ny toeram-pitsaboana » hoy ny avy amin’ny kaominina.
» Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona vahiny tahaka izao. Ary hantenaina mba hitondra fanatsarana sy fihavaozana amin’ny sehatra hafa fa tsy hijanona eo ihany » hoy i Herisaona, mpandraharaha.
Tsiahivina fa ity toeram-pitsaboana eto Ambohimangakely ity dia vao nasiam-panavaozana sy fanatsarana mba hanaraka ny fenitra manaraka ny filàn’ny vahoaka.
Manitra R.
