ActualitésTsidika

Sehatra Soja sy katsaka : Ho hatsaraina ny fitantanana sy ny vokatra ao Vakinakaratra

Mety hahazahoana tombony bebe kokoa ny fambolena raha mahay mitantana. Izany no nanambaran’ny filohan’ny « Coopérative Fanirisoa », Samimanana Rakotoarisoa. Nahazo tombony tamin’ny Tetikasa Fambolena sy Fiarovana ny Tany na « Croissance Agricole et de Sécurisation Foncière » (CASEF) ny kaoperativa ka nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny teknika, ny fahaiza-manao ary ny fahaiza-mitahiry.

« Miisa 60 ny mpikambana ao amin’ny fokontany Mandritsara, Kaomina Betafo ato amin’ny cooperative ary miara-miasa amin’ny tantsaha 200 eto amin’ny faritra Vakinakaratra. Nohon’ny tetikasa CASEF nahazo fitaovam-pambolena, efitra fitahirizam-bokatra 50 taonina sy atrikasa fiofanana izahay » hoy hatrany ny filohan’ity kaoperativa ity. Fantatra tokoa mantsy fa mamokatra 200 taonina soja sy katsaka ity kaoperativa iray ity. Ny antsasak’izany vokatra izany dia efa misy mpandray, ho an’ny ambiny kosa dia tena ilain’ny kaoperativa ny manana efitrano fitehirizam-bokatra mba hahazohany tombony tsara kokoa raha oharina amin’ny fiovaovan’ny vidin’entana. Noho ny fanamafisana ny fahaiza-manao an’ireo tantsaha, afaka mivarotra ny vokatra eny an-tsena izy ireo ary hanatsarana ny vola miditra amin’izy ireo. Raha tsiahivina, ny CASEF dia tetikasa iray an’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola mba hahatratrarana ny tanjon’ny tetikasa moa dia miara-miasa amin’ireo kaoperativa misehatra amin’ny fambolena ny Ministera.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire