e-hetraphone : Tontosa ny fanaovan-tsonia teo amin’ireo mpiaramiombon’antoka
Hivelatra eo amin’ireo orinasa sy ireo seha-pihariana madinika tokony handoa hetra ny « e-hetraphone » izay fomba fandoavan-ketra amin’ny alalan’ny finday. Fiaraha-miasa eo amin’ny. Foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra na ny DGI izay eo ambanin’ny fiahian’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ireo orinasa misahana fikirakirana vola amin’ny finday na ny EME izay mampivondrona ny tambazotra telo : Orange, Telma ary Airtel.
Maro ny fomba ahafahana mandoa hetra ankehitriny. Ankoatran’ny fanaterana mivantana izany eny amin’ny Tresor Public sy eny anivon’ny banky maro samihafa, misy ihany koa ny fandoavan-ketra elektronika any amin’ny aterineto ary ny fandoavan-ketra amin’ny alalan’ny finday. Nahitana fahombiazana io fandoavan-ketra tamin’ny finday io ka izao nahatonga ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola nanitatra izany tolotra izany ho an’ny orinasa madinika.
Nanambara ny Ministra Rabarinirinason Rindra fa hampihena ny filaharana izao teknolojia vaovao izao, hampihena ny fifampikosahana ary hanafoana ny kolikoly ihany koa ary indrindra hampihena ny vesatra amin’ireo pitsopitsony amin’ny taratasy.
Efa miditra eo amin’ny tontolon’ny « digitalisation » avokoa ny asa rehetra eo anivon’ny fampandehanan-draharaha eto Madagasikara. Ny tontolon’ny fampianarana sy fandoavam-bola no tena ahitana io fivoarana ara-nomerika io. Efa miezaka manamora ny fomba fandoavan-ketra hatrany ireo tompon’andraikitra misahana ny fandoavan-ketra ka irariana mba tsy halaina amin’ny fandoavana izany ny orinasa.
Tsangy Randriamampianina
